Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 1-22)

Tompo ô, inona no tianao hataoko?

Tamin’izay i Saoly,
dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo,
ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,
nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy
mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema
izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany,
na lahy na vavy.
Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy
dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra
nanjelajelatra nanodidina azy.
Dia lavo tamin’ny tany izy,
ary nandre feo nanao taminy hoe:

“Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?”

Ka hoy izy:

“Iza moa Ianao, Tompoko?”

Ary hoy ny Tompo:

“Izaho no i Jesoa izay enjehinao;
sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.”

Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe:

“Tompo ô, inona no tianao hataoko?”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna, midira ao an-tanàna,
ary ao no holazaina aminao
izay tsy maintsy hataonao.”

Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy,
fa nandre ny feo,
nefa tsy nahita olona na iza na iza.
Nony niarina avy hatreo i Saoly,
dia nanokatra ny masony,
fa tsy nahita na inona na inona;
ka olona no nitantana azy hankao Damasy.
Ary hateloana izy no tsy nahita,
sady tsy nihinana na nisotro.

Tao Damasy fahizay
dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania,
nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe:

“Ry Anania.”

Dia hoy izy:

“Inty aho, Tompoko.”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna,
ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy;
tadiavo ao an-tranon’i Jodà,
fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy,
efa mivavaka izy izao.

(Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahy anankiray
tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania
izay niditra sy nametra-tanana taminy
mba hampahiratra azy).

Ary i Anania namaly hoe:

“Tompoko, reko tamin’ny olona maro
fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io
tamin’ny olonao masina tao Jerosalema,
ary aty indray izy izao nahazo fahefana
tamin’ny lehiben’ny mpisorona
koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.”

Fa hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana,
fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy,
hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily
sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;
ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany
noho ny Anarako.”

Dia nandeha i Anania,
ka nony tonga tao an-trano,
dia nametra-tanana taminy nanao hoe:

“Ry Saoly rahalahy,
i Jesoa Tompo izay niseho taminao
teo amin’ny lalana nalehanao,
dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao
sy ho feno ny Fanahy Masina.”

Niaraka tamin’izay,
nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano
niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy.
Dia nitsangana izy ka natao batemy;
ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray.
Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra
tao Damasy i Saoly,
ary nitory teo amin’ny sinagôga
niaraka tamin’izay izy,
ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.
Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe:

“Tsy ity va ilay nanenjika izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema,
sy tonga aty mba hitondra azy am-patorana
ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona?”

Vao mainka nihanahery anefa i Saoly
sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy,
naneho marimarina tamin’izy ireo
fa i Jesoa no Kristy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 22, 3-16)

Mitsangàna, raiso ny Batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany:
Hoy i Paoly tamin’ny vahoaka tao Jerosalema:

“Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia,
fa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy,
teo ambanin’ny saokan’i Gamaliely,
nampianarina tsara ny Lalàn’ny razantsika aho,
ary nazoto ery ho an’Andriamanitra
tahaka anareo rehetra izao.
Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho;
ary namatotra azy na lahy na vavy,
sy nampandatsaka azy an-tranomaizina.
Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Loholona rehetra no vavolombeloko;
fa nandray taratasy tamin’izy ireo ho an’ny rahalahy aho,
dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra
izay hita tao ho aty Jerosalema mba hampijaliana.
Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasa,
tamin’ilay mitatao vovonana iny ny andro,
dia nisy fahazavana lehibe
tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.
Lavo tamin’ny tany terý aho,
sady nandre feo nanao tamiko hoe:

‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?’

Dia namaly aho nanao hoe:

‘Iza moa Ianao, Tompoko?’

Ary hoy izy tamiko:

‘Izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao.’

Ry zareo niaraka tamiko izany,
nahita ny fahazavana ihany,
fa tsy nandre ny feon’izay niteny tamiko.
Ary hoy izaho:

‘Inona no hataoko, Tompoko?’

Ka hoy ny Tompo tamiko:

‘Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa,
fa any no holazaina aminao
ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao.’

Tsy nahita anefa aho
azon’ny famirapiratan’izany fahazavana izany,
ka notantanan’izay niaraka tamiko aho,
vao tonga tany Damasa.

Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania
izay nanaraka ny Lalàna,
sy tsara laza tamin’ny Jody rehetra nonina tao.
Tonga nanatona ahy izy
ary nitsangana teo anilako nanao hoe:

‘Ry Saoly rahalahy, mahiràta.’

Niaraka tamin’izay, dia nahita azy aho.
Ary hoy izy:

‘Ny Andriamanitry ny razantsika
efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony,
sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany.
Fa ianao no ho vavolombelony
hanambara amin’ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao.
Ary ankehitriny, inona no andrasana?
Mitsangàna, raiso ny batemy,
ary mialà amin’ny fahotana,
amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jesoa.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 116, 1. 2)

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Derao ny Tompo,
ry firenen- drehetra!
Ankalazao Izy,
ry foko rehetra!

Fa aminay tsy mba lefy
ny hatsaram-pony,
ary mandrakizay
ny fahamarinany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.

Tamin’izany andro izany,
niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao,
mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy;
fa izay tsy hino dia hohelohina.
Ary izao no famantarana homba izay mino:
Handroaka demony amin’ny Anarako izy,
hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,
handray menarana izy,
ary na misotro zava-mahafaty aza izy
dia tsy hampaninona azy izany;
hametra-tanana amin’ny marary izy,
dia ho sitrana ireny.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...