Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 3, 4-11)

Nataony mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao izahay, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin’ny alalan’i Kristy.
Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay;
Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampianay,
Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao,
tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa,
fa mpandraharaha amin’ny fanahy,
satria ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona.
Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra,
ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely,
noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,
tsy mainka va ny fandraharaham-panahy no hodidinim-boninahitra?
Eny, raha ny fandraharana ny fanamelohana aza nisy voninahitra,
dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana;
ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an’ilay voalohany,
raha oharina amin’ny an’ity ankehitriny ambony lavitra.
Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra ity maharitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 98, 5. 6-7. 8. 9

Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato
Andriamanitra Tompo.
Ny fitoeran’ny tongony ihohofy.
Fa satria Izy Masina indrindra.

I Samoela, i Môizy, i Aarôna, raha niantso dia novaliany,
tao anaty andry rahona fotsy.
Ka mitandrina izay nolazainy,
sy nandray ny lalàna nomeny.

Eny, ry Andriamanitra Tompo,
novalianao tokoa izy ireo.
Lefitrao izay rehetra nataony;
faizinao kosa ireo hadisoany.

Asandrato Andriamanitra Tompo,
ka ny Vohitra masiny ihohofy!
Fa satria Izy masina indrindra,
asandrato ny Tompo Mpamonjy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray
na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 1, 18-22)

Tsy nisy “eny” sy “tsia” ao amin’i Jesoa, fa “eny” ihany no tao aminy.

Ry kristianina havana,
araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra
no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo.
Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa
izay notorìnay sy i Silvano ary i Timôte taminareo
tsy nisy “eny” sy “tsia”, fa “eny” ihany no tao aminy.
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra,
dia tao amin’i Jesoa ihany ny “eny”,
ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana “Amen”
mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy,
fa Andriamanitra izay naha-voahosotra antsika,
sy nanisy tombo-kase antsika koa,
ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 129-130. 131-132. 133 sy 135

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo.

Tantely mandriaka ny Fanambarànao:
Izany no itandreman’ny fanahiko azy!
Vavahady mazava ny Teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Misokatra ny vavako; miemponempona aho;
ny Baikonao no mahaliana ahy!
Todiho aho ka iantrao
araka ny fanaonao amin’izay tia ny Anaranao!

Araka ny Teninao, hamafiso ny famindrako;
aoka tsy hisy faharatsiana hizaka ahy!
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao;
ampianaro ahy ny Fitsaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao,
ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso,
hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro,
ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 1, 1-7)

Nanafaka alahelo anay ny Tompo mba hahazoanay manala alahelo ny tra-pahoriana rehetra.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Timôte rahalahiny,
mamangy ny Eglizin’Andriamanitra izay any Kôrinto,
mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia manontolo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Hisaorana anie Andriamanitra,
Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Rain’ny famindram-po
ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,
izay manafaka alahelo anay amin’ny fahoriana rehetra,
mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra
amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay
no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa.
Raha azom-pahoriana izahay
dia fanalana alahelo sy famonjena anareo izany;
ary raha alana alahelo izahay,
dia ho fanalana alahelo anareo koa izany,
fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany.
Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo,
satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana
no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-9

Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fisaorana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Sambatra izay mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa,
dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra,
satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 12, 1. 5-15. 20)

Hiverina any amin’izay naniraka ahy aho: fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niantso an-janany hankeo aminy i Tôbia ka nanao taminy hoe:

“Inona no homentsika ity lehilahy masina
nanaraka anao tany amin’ny dianao?”

Dia nantsoin’i Tôbia mianaka izy,
nentiny nitokana ka niangaviany mba hankasitraka ny handray
ny antsasak’izay rehetra nentiny.

Tamin’izay ity Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo
nanao taminy hoe:

“Misaora an’Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy,
eo anatrehan’ny manana aina rehetra,
noho ny famindram-pony nataony taminareo.
Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka,
fa mendrika hoderaina kosa ny manambara
sy mampiely ny asan’Andriamanitra.
Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara,
ary ny fiantrana dia saro-bidy noho ny volamena aman-drakitra.
Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana,
ary izy no manala ny fahotana,
ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay.
Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa
no fahavalon’ny tenany.
Indro àry hasehoko anareo ny marina,
ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo.
Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty,
raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro,
ary nandevina azy nony alina,
izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo.
Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra,
dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao.
Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao,
sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony.
Izaho no Rafaela, Anjely,
anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo.
Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’izay naniraka ahy,
fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra,
aelezo ny asany mahagaga rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo Tôb. 13, 2. 6. 7. 8

Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny Fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra.
Ary tsy misy olona
izay afaka amin’ny tanany!

Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony!

Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny Fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!

Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’ity firene-mpanota:
Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

Io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra.

Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany:

“Mahìna amin’ny mpanora-dalàna,
izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba,
sy ny arahabaina eny an-kianja,
ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga,
mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny,
kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena,
ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.”

Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy,
dia izay rehetra nananany sy ivelomany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...