Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 7, 18-25a)

Iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?

Ry kristianina havana,
fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara,
izany hoe tsy ato amin’ny nofoko;
ny fikasana fotsiny no ato amiko,
fa tsy ny manatanteraka ny tsara,
satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko,
fa ny ratsy izay tsy tiako;
ka rahefa tsy ny tiako no ataoko,
dia tsy izaho intsony no manao izany,
fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko:
nony te-hanao ny tsara aho,
dia ny ratsy no indro misosoka.
Satria amin’ny olona ao anaty aho,
dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany,
fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako
sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy
amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.
Indrisy! olo-mahantra aho;
iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?
Hisaorana anie Andriamanitra,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 66-68. 76-77. 93-94

Ampianaro ahy, Tompo, ny fitsipikao.

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana:
fa izaho matoky ny baikonao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny fitsipikao!

Hampionona ahy anie ny hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Ny indrafonao anie haninteraka sy hamelona ahy:
satria ny Lalànao no firavoako!

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny lahatrao,
izay amelombelomanao ahy!
Vonjeo aho fa Anao,
sady mikatsaka ny lahatrao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany. Ahoana àry no tsy ahafantaranareo ny toetr’izao andro diavintsika izao!

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe:

‘Ho avy ny orana’,

ka avy tokoa izy;
ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:

‘Hafana ny andro’,

ka tonga tokoa izany.

Ry mpihatsaravelatsihy,
hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany,
ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina?
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao
hanatrika ny mpitsara,
dia ataovy izay hahafahanao aminy
raha mbola eny an-dalana ianareo,
fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao
ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra,
ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao
ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...