Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 7, 51-59)

Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Etiena tamin’ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna:

“Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina,
manohitra ny Fanahy Masina ianareo;
tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.
Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo?
Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo
ny hahatongavan’Ilay Marina aza;
ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy,
dia ianareo izay nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’ny Anjely,
kanefa tsy nitandrina azy.”

Nony nandre izany izy ireo dia nisafoaka ny fony,
ary nihidy vazana taminy izy.
Fa i Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra,
ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa
nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra,
ary nanao hoe:

“Indro hitako ny lanitra misokatra mbamin’ny Zanak’Olona
mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.”

Fa indray nihoraka izy rehetra
sady nanentsin-tadìny no niara-niantoraka taminy.
Dia notarihiny tany ivelan’ny tanàna izy,
ka notorahany vato;
ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany
teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
Raha mbola nitora-bato azy izy ireo,
i Etiena kosa nivavaka nanao hoe:

“Jesoa Tompo ô; raiso ny fanahiko.”

Dia nandohalika izy,
ka niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.”

Nony nilaza izany izy,
dia nody mandry teo amin’ny Tompo.
Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 30, 3de-4. 6ab sy 7b sy 8a. 17 sy 21ab

Apetrako eo am-pelatananao ny aiko.

Metia, ry Vatolampy fierena!
Vonjeo aho ry Trano fiarovana!
Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy!
Ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!

Apetrako eo an-tananao ny aiko:
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra!
Ianao kosa no ifefeko!
Mibitaka sy ravo aho noho ny hatsaram-ponao.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao!
Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao!
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitry ny tetika ataon’ny olona.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 30-35)

Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko.

Tamin’izany andro izany,
hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa:

“Inona àry no fahagagana ataonao,
mba ho hitanay ka hinoanay Anao?
Inona no asa ataonao?
Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra
araka ny voasoratra hoe:
Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra,
fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra
izay tena izy tokoa;
satria izay mofo midina avy any an-danitra
sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao
no mofon’Andriamanitra.”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no mofon’aina;
izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony,
ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...