Alahady 25 mey 2025. Alahady faha-6 – Taona D fankalazana ny Paka : Vary zato aharon’ny sompitra isika ao amin’ny Eglizy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Ny fitiavana no harena tokana sy ambony indrindra amin'Andriamanitra, fitiavana tsy misy tambiny, hatramin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra. Ny fitiavan'i Jesoa dia fitiavana maimaimpoana, tsy miandry valiny, tsy voafetra. Ny Fanjakàn'Andriamanitra dia fiadanana sy fifaliana, izay ao anatin'ny fon'ny olona mino...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...