Alahady 17 aogositra 2025 : Alahady faha-20 mandavantaona "D" - "Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha" ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Eo ady hita maso eo amin'ny fiainana andavanandro, fa ao koa ny ady amin'ny fahotana manakana antsika tsy hiraikitra amin'Andriamanitra. Maika mihitsy i Jesoa handrehitra ny afo, izay afo-pitiavana handrehitra ny fon'olombelona, manainga antsika hanaraka izay nataony. Afo ahitana ny rariny :  fitiavana, fanadiovana, fanadiovana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...