Alahady faha-23 mandavantaona — D : Izay tia mahafoy ; Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany ny olombelona ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; tsisy hahatakatra izay any an-danitra, tsisy nahalala ny sitra-pon'Andriamanitra, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony...