Alahady faha-30 mandavantaona — D — Hohenoim-bavaka ny manetry tena ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia. Ny Tompo tezitra amin’ny olon-dratsy ka hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny Tompo mihaino izay miantso Azy, ny ahiahiny rehetra ataony misava. Ny Tompo eo anilan’izay mijaly ary namonjy ny rera-tsaina. Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo; tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy...

[Miara-dàlana] Zoma 31 jolay 2026

• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...