Alahady 26 jolay 2026 - Alahady faha-17 mandavantaona — A — Mety ny mahafoy izay tsara hahazoana ny tsara kokoa. Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Sarotra ny misafidy, manoloana ny safidy omen'Andriamanitra an'ny olona, anefa misy harena lehibe sy sarobidy kokoa noho ny harena rehetra eto an-tany dia ny Fanjakan'Andriamanitra, ary tsy iza fa i Jesoa mihitsy, ilay antoky ny fiainana sy ny fahasambarana. Ny fo dia mahay mihaino, ivon'ny fisainana, ivon'ny fanapahan-kevitra sy ny sitrapo ary ivon'ny fifandraisana amin'Andriamanitra....