Alahady faha-34 mandavantaona — A — Fankalazana manetriketrika an’I JESOA KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO : Ny hampanjaka an'i Kristy no maha-kristianina antsika. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana amin'ity alahady fankalazana an'i Kristy Mpanjaka ity ny taona litorjika, misantatra ny Fiaviana aorian'ity. Fanjakana hafakely ny an'i Kristy. I Kristy nitsangan-ko velona no nandresy ny fahafatesana sy manokatra ho antsika ny fiainana mandrakizay, Izy no Mpanjaka sy Mpitsara, ilay fitaratra amin'ny fanehoana fitiavana...

[Miara-dàlana] Zoma 20 novambra 2026

• Fiofanana maharitra sy faharetana mivavaka no nanentanan'ny Eveka ireo pretra diosezanina, mba hiatrehana ny fanamby ankehitriny… • Nitantara ny vokatry ny fitsidihana Apostolika tany Amerika Latina, ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo… • Any Odessa, simba taorian'ny fanafihana rosiana, ny Katedraly katolika…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...