Mankalaza ny fetin'ny Noely ny fiangonana tatsinanana amin'ity anio ity. Niarahaba sy nirarisoa ho an'ireo mpino rehetra manaraka izany tetiandro izany i Papa François, omaly.

Ho aminareo anie, hoy ny Papa, ny fahazavana sy ny fiadanana entin'i Kristy Mpamonjy. Tsiahivina fa ny tetiandro "julien" no arahin'ireo eglizy tatsinanana, ahitana ny orthodoxe, ka nahatonga izay tsy fitoviana amin'ny tetiandro gregoriana arahintsika amin'izay fankalazana ny fetin'ny Noely izay. Notsiahivin'i Papa François tamin'io omaly io koa ny andro maneran-tany ho an'ny ankizy misionera izay marihina isaky ny andron'ny Epifania. Fetin'ny ankizy sy ny tanora misionera miaina ny antso ho amin'ny fahamasinana amin'ny fanampiana ny namana amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fihetsika ary ny fifampizarana, hoy hatrany ny Papa. Nirary fety sambatra ho an'ny rehetra izy ary nanentana ny rehetra mba hivavaka ho azy hatrany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...