Nanatanteraka hetsika ho famalifaliana ny ankizy tsaboina ao amin'ny hôpitamin'ny ankizy "Bambino Gesù", ny zoma 17 janoary, ny "dicastère" misahana ny fampivoarana ny mahaolona manontolo sy io hôpitaly iandraiketan'ny Fiketrahana Masina io.

Hetsaika nahitana ny fandraisan'anjaran'ny tarika mpanao "cirque" Rony Roller izay mandalo ao Rome ankehitriny. Nosantarina tamin'ny Eokaristia Masina notarihin'ny Kardinaly Peter Turkson, préfet  an'io "dicastère" io sy ny sekreterany, Monseigneur Bruno-Marie, tao amin'ny lasapelin'ny hôpitaly ny fotoana. Entina hanamaivanana ny aretina mahazo ireo zaza sy ankizy tsaboina ao amin'io hôpitaly io no tanjona amin'izao famalifaliana azy ireo izao, hoy ny Kardinaly Turkson. Nisaotra sy nankasitraka ireo mpanao "cirque" ireo ny talen'ny hôpitaly tamin'ny nitondrany hafaliana ho an'ireo marary sy ny fianakaviany ary ny mpitsabo sy ny mpiasan'ny hôpitaly mifarimbona amin'ny fikarakarana azy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...