13 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Hoy ny Papa François : "Eny fa na ao amin'ny Eglizy aza, dia tena ilaina tokoa ny fihainoana sy ny fifampihainoana, izany  no fanomezana maimaimpoana sy sarobidy indrindra azontsika ifanolorana". Avy amin'ny fahaiza-mihaino am-pitandremana no teraka ny "fandraisam-pitenenana mendrika". Tena ilaina ny fomba fifaneraserana mandona ny fo toy ny diloilo manasitrana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

12 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...