16 ôktôbra — I Edwige de Silésie dia teraka tao Andechs tao Bavière ny 1174. I Edwige no anarany fa ny tany Pologne no niantso azy hoe Jadwiga Śląska. Zanak'i Berthold III, comte tao Andechs sady duc tao Méranie izy. I Agnès de Wettin no anaran'ny renin'i Edwige.
Ny asa no mampiavaka ny olombelona amin'ny zava-boary hafa rehetra. Natao hivelomana sy hanaovana adidy ary hahasambatra ny asa. Fanohizana ny asa fahariana nataon'Andriamanitra ny asa ka mila kolokoloina sy hajaina mba hahatsara izao tontolo izao sy hahafahan'ny olombelona manjaka aminy fa tsy sanatria manjakazaka. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alahady 16 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8
15 ôktôbra — Teresa Sánchez de Cepeda Dávila y Ahumada no tena anaran'i Thérèse d'Ávila. Teraka tao Espagne ny 28 marsa 1515 izy, fahatelo amin'ny ankizy roa ambin'ny folo mianadahy. Ny fahatanorany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny fiarahana tamin'ireo mpiray tampo aminy marobe ireo. Marani-tsaina i Thérèse fa tovovavy somary jejojejo izay izy.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco