18 septambra — Araka ny fiantaran’i Jacques de Voragine ao amin’ny Légende dorée dia maty martiry izy efa-mianaka ireto. Sophie moa izany no reniny ary zanany avokoa izy telo miravavy dia i Nadège, i Véra ary i Liouba. Niaina tany amin’ny taonjato faharoa tany izy ireo.
Adidy hijoroan'ny raim-pianakaviana hatramin'ny farany ny maha loham-pianakaviana azy. Manabe am-pitiavana mandrakariva ny zanany miaraka amin'ny vadiny izy. Modely tahaka an'i Md Josefa izy ao an-tokantranony ka hatahoran'ny ankohonany sy hajainy am-pitiavana satria sady mahatoky no nahay nametraka ny fahefana amin'ny maha-raim-pianakaviana azy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alahady 18 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Izay tia Ahy dia hitandrina ny teniko ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-13
17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco