Ny fitsipi-pitondrantena dia tokony hanaja famarinana : alaviro ny fanaparam-pahefana, ny fangalarana hetra, ny ala-tahaka eo amin'ny taratasy misolo vola, ny fanovana ny taratasy filazam-pandoavana. Manoloana ny andraikitra raisin'ny tsirairay dia tsy mety ny "asa zara fa vita". Mba hanasongadinana ny soa iombonana dia alaviro ny fandaniana mihoatra ny tokony ho izy. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 8 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23
07 jolay — Teraka Granada Nicaragua ny taona ny 1902 i María Romero Meneses, nanan-katao tokoa ny fianakaviany. Teo amin’ny faha-13 taonany izy, raha nianatra tao amin’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice, izany hoe ny fikambanan’ireo masera salezianina manara-dia an’i Don Bosco.
Ny fiangonana dia misarika ny sain'ny tsirairay ary mandrara ny fanararaotana. Ny fiantoham-barotra ahitana fakana tombontsoa sy tombom-barotra mihoatra ny tokony ho izy. Ny kolikoly hanodinana ny fanapahan-kevitr'ireo tompon'andraikitra, hivoana amin'ny lalana, eo aminy lafin'ny ara-barotra sy ny fihariana, eo koa ny fibodoana ny fananana iombonana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco