Talata 29 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-3a. 5-16

Nisongadina tamin'ny hafatry ny Papa François ho an'ny Malagasy ny "firaisan-kina" izay endrika iray hisehoan'ny fihavanana. Natao hifandray sy hifameno ny olombelona fa tsy hiolonolona. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alatsinainy 28 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 43-54

Soatoavina tsara indrindra ary handrisian'ny Papa François ny Malagasy mba handala izany hatrany ny "Fihavanana". Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...