Ny fikambanana masina na ny any an-tsekoly, na any am-piangonana dia antsoina hamoha ny antson'Andriamanitra ho pretra. Ny fampandraisana andraikitra any amin'ireny sehatra ireny no miteraka fahazarana ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Zoma 31 desambra 2021 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
Araka ny fampianaran'ny fiangonana mahakasika ny fihofanana ho pretra dia samy manana andraikitra ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra. Ny fianakaviana miserasera amin'ny fiainan'ny fiangonana no mamoha ny antso ho pretra. Ny fianankaviana entanin'ny finoana, fanantenana ary ny fitiavana no seminera voalohany hamoazana ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Alakamisy 30 desambra 2021 — Andro fahenina amin'ny havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco