Alarobia 10 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19
Fiaraha-miasa amin'ny zokiolona : misy harena miafina ao amin'ireny zokiolona ireny, koa amporisihana ny tanora mba hahay hiara-hiasa amin'ireny eo am-panorenana ny ho avy. Raha misy olon-kendry hitanao dia hatony vao maraina ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Talata 9 novambra 2021 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 19-24
Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina ary voa-janahary ho an'ny olombelona ny fiarovana azy. Ny fanatsaharana vohoka na inona inona antony dia fanalan-jaza izany. Fandaharana iresahana ny lalàna moraly sy ny aina, miaraka amin'i P. Séraphin Rafanomezantsoa, Mpampianatra UCM Ambatoroka
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco