Ny 06 janoary no ankalazaina ny fisehoan'i Jesoa Zanak'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao, Ilay Mesia, Teny tonga nofo eo amin'izao tontolo izao novangian'ireo Majy antsoina koa hoe Epifania. Marihana fa noho ity daty ity andro fiasana no mahatonga ny firenena sasany hankalaza azy ny alahady faharoa aorian'ny Noely.
Misy fomba fivavahana maro azo atao raha hanao vavaka miainga amin'ny Tenin'Andriamanitra : isan'ny fampiasa matetika ny " fandinihana" sy ny fibanjinana. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Rehefa avy nandray ny Tenin'Andriamanitra ka nandinika izany ny kristianina dia manohy miaina izany... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
I Masindahy Édouard no tsaroana isaky ny 05 janoary. Teraka teo anelanelan'ny taona 1002 sy 1004 i Édouard. Ny taona 1003, rehefa nanafika an'i Angleterre ny Danois dia nentin'i Emma reniny nandositra i Édouard sy i Alfred rahalahiny, nialokaloka tany amin'i Richard II tao Normandie. Ny taona 1041 dia niverina tany Angleterre izy.
Tena tsapa fa amin'ny fotoana sasany dia tsapa fa misy lanjany ary tena manome hery ny vavaka am-bava. Tsy atao hanelingelina ny fahanginana ny vavaka vita tsianjery teloha, fa fijoroana vavolombelona amin'ny faharetana amin'ny vavaka ireny. Vavaka am-bava no vavaka voalohany nataon'ny olona. Ny molotra no mihetsiketsika voalohany rehefa hivavaka, mamoaka ny avy ao am-po.... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco