Mba hahafahana manana ny finoana dia ilaina ny manana fahazarana mivavaka. Miara-mivavaka ny mpianakavy ao an-trano ao. Ilaina ny manao fifanakalozana ara-panahy: mamaky Baiboly sy mifampizara izay azony sy nanaitra azy tao. Ilaina ny mivavaka any am-piangonana sy miditra Fikambanana Masina na firohotana krisitianina mba ho fanamasinan-tena. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Alarobia 28 aprily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50
Noho ny finoana an’Andriamanitra no hanoloran-tena handray an’ireo sakramenta ireo. Finoana izay misy vokany eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila resy lahatra amin’ny herin’ireo Sakramenta ireo ny olona vao azo lazaina fa manam-pinoana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Talata 27 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco