25 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

Miantso ny olom-pirenena mba hibebaka ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny kristianina katôlika manana andraikitra. Mampirisika ny rehetra mba handinin-tena hoe : inona no efa nataoko, ny ataoko ankehitriny sy ny hataoko mba ho fampandrosoana ny tanindrazana, manentana ny tsirairay ihany koa hiala amin'ny kolikoly sy ny toeratra ratsy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tsy misy lalan-kafan'ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an'ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po dia tsy ho tonga any amin'ny Ray raha tsy mivavaka amin'ny anaran'i Jesoa Zanaka isika. Afaka miantso an'Andriamanitra ho "Ray" isika satria ny Zanak'Andriamanitra tonga olombelona no nanambara Azy... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.

24 nôvambra 2024 — I Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Fankalazana manetriketrika— Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 18, 33b-37)

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...