15 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

Hoy Masindahy Grégoire avy any Nyssa : ilaina ny faharetana amin'ny vavaka, izay fifampiresahana mba hitazonana ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Ny faharetana dia asan'ny finoana. Ny vavaka maharitra dia fanao ara-panahy izay mitaky fahatokiana, faharetana, fanoloran-tena tsy tapaka amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

14 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)

Ny vavaka maharitra, araka ny filazan'ireo Rain'ny Fiangonana dia matetika no raisina ho toy ny fanao ara-panahy tena fanatsarana ny fiainam-panahy, tena ilaina izay maneho ny finoana sy ny faharetana ary ny fahatokiana an'Andriamanitra. Ny vavaka maharitra dia mifototra amin'ny fahatokiana ny fahatsaran'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...