Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa, dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany. Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe: "Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy ka nositraniny ary nalefany handeha, izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe: "Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro?" Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.

Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina." Dia hoy Izy tamin’ireo: "Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso, fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo! Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: "Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?" Ka hoy Izy tamin’ny olona: "Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: ‘Tompoko, vohay izahay’, dia hovaliany hoe: ‘Tsy fantatro izay niavianareo.’ Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe: ‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo; mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’ Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany. Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, ary avy any Avaratra sy Atsimo, hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany ho farany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: "Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy? Tahaka ny voan-tsinapy izy izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany." Dia hoy indray Izy: "Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra? Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...