Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy."

Dia hoy i Jesoa taminy: "Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona. Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’ Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona."

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao." Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra." Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

Tamin’izany andro izany, nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: "Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý, fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy, ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay, ka hoy Izy: "Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: ‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’ Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: ‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’

Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina, dia nampaka ny mpanompo nomeny vola mba hahitany izay tombony azony avy. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hifehy tanàna folo ianao.’ Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’ Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: ‘Tompoko, indro ny minanao, fa notahiriziko tao anaty lamba; satria natahotra anao aho, noho ianao lehilahy sarotiny ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’ Dia hoy ilay mpanjaka taminy: ‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy; fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’ Dia izao no nataony tamin’izay teo: ‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’ Fa hoy ireo taminy: ‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’ ‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena; fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza. Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako.’" Rahefa niteny izany i Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...