Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy : “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe : “Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany ? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany ? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna ? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny ?” Dia tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.” Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

Tamin’izany andro izany, rehefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa mba hatolotra amin’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe : "Ny lahy voalohanteraka rehetra dia atao hoe masina ho an’ny Tompo", ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalan’ny Tompo. Ary indro nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema ; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina, sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandrapahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy, ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe : "Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao". Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe : "Indro ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina, — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra — mba hiseho ny hevitry ny fo maro". Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray, dia i Anina zanak’i Fanoela, fokon’i Asera ; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy, ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny ; ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia intý nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy. Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin’ny gadra aza, fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato. Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, ary niantso tamin’ny feo mahery hoe : “Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy”, satria i Jesoa efa nanao taminy hoe : “Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.” Ary nanontany azy Izy nanao hoe : “Iza no anaranao ?” Dia novaliany hoe : “Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.” Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany. Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe : Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy. Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina. Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha ; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra tery. Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa, dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny. Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy ; fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy : “Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.” Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...