Tamin’izany andro izany, niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. — Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazana izy ; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. — Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe : "Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa ?" Ary hoy ny navaliny azy ireo : "Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy araka ny voasoratra hoe : itý firenena itý manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony ; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo." Dia hoy Izy taminy : "Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo. Fa hoy i Môizy : Manajà ny rainao sy ny reninao ; ary koa : Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. Fa hoy kosa ianareo : Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe : Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao dia efa Kôrbana izany hoe : fanatitra ho an’Andriamanitra, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny intsony, ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra ; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo."

Tamin’izany andro izany, nony tafita i Jesoa sy ny mpianany, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona, ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana ho any amin’izay reny fa misy Azy. Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Tamin’izany andro izany, niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy : "Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely" : fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina. Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

Tamin’izany andro izany : Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe : "I Joany Batista nitsangan-ko velona izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy" ; fa ny sasany kosa nanao hoe : "I Elia izay", ary ny hafa indray dia hoe : "Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany." Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe : "I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany, fa efa nitsangan-ko velona izy." Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. Satria i Joany nanao taminy hoe : "Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao." Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza, saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea. Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy ; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy : "Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao", sady nampiany tamim-pianianana hoe : "Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza." Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe : "Inona no angatahiko ?" Ary hoy reniny : "Ny lohan’i Joany Batista." Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe : "Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista." Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy, dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...