Tamin’izany andro izany, dia nifanditra ny Jody nanao hoe: "Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?" Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana itý mofo itý kosa dia ho velona mandrakizay." Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho". Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay". Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia". Hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo". Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io". Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo". Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo". Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: "Iza moa Ianao?" Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.

Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao". Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy".

(M = Mpitantara ; V = Vahoaka ; J = Jesoa)

M. Nitsangana ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty, ary niampanga Azy toy izao:

V. Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy Mpanjaka.

M. Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe:

V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao? Ka novaliany hoe:

J. Voalazanao.

M. Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka:

V. Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.

M. Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe:

V. Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.

M. Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy, ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa efa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka ery, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana. Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa. Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby ery niampanga Azy. Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray. Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza tery i Herôda sy i Pilaty efa nifandrafy teo iny. Nasain’i Pilaty novorîna ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ny vahoaka, dia nilazany hoe:

V. Nentinareo taty io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho aty amintsika izy, ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.

M. Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety. Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe:

V. Vonoy io, fa i Barabasy no alefaso ho anay.

M. I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa; nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe:

V. Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!

M. Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe:

V. Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty azy; koa hofaiziko Izy, dia halefako.

M. Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. Dia nasain’i Pilaty natao izay nangatahiny; ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany Azy. Fa nitodika azy ireo i Jesoa nanao hoe:

J. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: "Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana". Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: "Mianjerà aminay", sy amin’ny havoana hoe: "Saròny izahay"; fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?

M. Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa, nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy sy ireo mpangalatra ireo; ny iray moa teo ankavanany, ary ny iray kosa teo ankaviany. Dia hoy i Jesoa:

J. Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.

M. Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany. Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:

V. Namonjy ny sasany Izy, ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy.

M. Ny miaramila koa naneso Azy nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe:

V. Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.

M. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:

V. Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.

M. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe:

V. Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika, fa ny Azy kosa, tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.

M. Dia hoy izy tamin’i Jesoa:

V. Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.

M. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:

J. Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.

M. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:

J. Raiko! apetrako eo an-tananao ny fanahiko.

M. Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.

(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)

M. Rehefa nahita ny zavatra niseho teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra, ka nanao hoe:

V. Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.

M. Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany. Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra ombàn’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea ka samy nijery izany.

Nony hariva ny andro, taorian’ny fampitomboana ny mofo, dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa, ka niondrana tamin’ny sambo kely ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa, ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. Fa hoy Izy taminy: "Izaho ihany fa aza matahotra." Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...