Fantaro sy tandrovy ny rano satria antoky ny fahasalamana. Noho ny zava-misy ankehitriny indrindra ny fahasarotan'ny fahazoana rano fisotro madio sy ny tsy fiavian'ny orana, dia tsara ny hifanentanana mba samy hitandrina amin'ny fitantanana ny rano ny tsirairay. Ny olona miahy ny rano dia mitsimbiny ny aina, ny rano no fototry ny aina, ohatra ny 80% ny tenan'ny zaza dia rano avokoa. Mila manao ezaka ny tsirairay mba hikajiana ny rano izany hoe mametraka ny paik'ady fitsitsiana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fampihantana dia ireo endrika fitondrana ny zanaka ; tsy ny zaza anefa no mihanta fa ny fihetsika ataon'ny ray aman-dreny no tonga amin'izay endrim-pifandraisana izay. Ny fototry ny fampihantana dia fanomezana avy hatrany izay zavatra takian'ny zanaka. Ny fampihantana zanaka dia miteraka tsy fahatokisan-tena, tsy fahaizan'ny zanaka hisendra olana any aoriana any, ditra... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny aretina "ongobe" na "filariose" dia aretina efa ela no nisy teto Madgasikara. Aretina mamela takaitra ity aretina ity raha vao tsy voatsabo ara-potoana, izy io dia aretina azo avy amin'ny kaikitry ny moka atao hoe "Culex", ity moka ity no mitondra ny atodi-kakana "larve filaire". 6 hatramin'ny 12 volana no hitombony ao amin'ny olombelona ary lasa kankana lehibe. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...