Ny fanalan-jaza dia raràn'ny lalàna, araka ny voafaritra ao anatin'ny "code penal" art -316-317, eo anatrehan'ny lalàn'ny fiangonana ihany koa dia fahotana mahafaty ity fomba iray ity, dia ny fanalan-jaza iniana hatao. Ny mahatonga ny fahafahan-jaza tampoka dia tsy fahatomombanana eo amin'ny fiforonany (Chromosome), olan'ny tranon-jaza, Misy fivontosana (fibrome), diabeta tsy voalamina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nizotra araka ny namaritana azy ny sehatr’asan’ny tetik’asa Profi-Lait tamin’iny taona 2025 lasa iny. Niakatra ny taham-bokatra hoan’ireo mpamokatra miara-miasa amin’ny tetik’asa noho ny fampidirana an’ireo haitao ara-teknika niainga tamin’ny fanatsaràna ny sakafon’ny omby sy ny fanatsaràna ny taranaka. Iray amin’ny tetik’asa tantatan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB anatin’ny fandaharan’asa AFAFI Centre tohanan’ny Vondrona Eraopeana vola ny Profi-Lait Plus.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana no hankalazaina ny sabotsy 24 Janoary 2026 izao, izay andraisana ny lohahevitra mikasika ny fanabeazana ara-pahasalamana hafahan’ny isam-batan’olona mandray ny fahalalàna mivoatra hananana fomba fiaina raikitra misoroka aretina. Ny fanabeazana ara-pahasalamana dia dingana fanabeazana izay mikendry ny hanatsaràna ny fahasalaman’ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny herisetra an-tsekoly dia tsy izay mihatraika mivantana amin'ny vatana fa eo indrindra ny ara-tsaina, ara-môraly. Ny herisetra any an-tsekoly dia mety ho avy amin'ny samy mpianatra, avy amin'ny mpampianatra sy ny mpandraharahan-tsekoly, ary mety ho avy amin'ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina. Ny fampiorohoroana, fanesoana, teny mahery dia voasokajy ho isan'ny herisetra... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco