Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny mitaiza dia  fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...