♦ Ao amin'ny "ankohonana" ihany, manomboka eo amin'ny faharoa taonan'ny zaza no ampidirana ao an-tsainy ny fanabeazana momba ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny olon-dehibe, eo koa ny fampiharana ny famaizana kely raha toa manao fadisoana izy. ♦ Ny sehatra rehetra indrindra ny sekoly isan'ambaratongany no tokony hampatsiahy ny tombontsoa azo avy amin'ny fanarahan-dalàna, ny fitsipi-pifehezana ary ampiharana ny famaizana efa nohazavaina taminy. ♦ Ny fiaraha-monina, ny firenena no tokony hampahafantatra sy hanabe amin'ny fomba isan-karazany ny fitsipika, ny lalàna, ny fepetra ary mampihatra ny famaizana voafaritra. Ampahafantarina ny rehetra ny vokatry ny fampiharana ny famaizana.

Manana ny anjara toerany amin'ny sehatry ny fiompiana akoho sy famokarana atody eto amintsika ny Kaominina Ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza atao amin'ny Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga. Mivoaka ao amin'ity Kaominina ity avokoa ny 30% hatramin'ny 40% ny atody jifaina eto Madagasikara. Atody 200.000 hatramin'ny 300.000 isan'andro no mivoaka ao amin'ny Kaominina.

Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fitondrana vohoka dia maharitra 9 volana. Ilaina ny fanaraha-maso ny vohoka manomboka amin'ny fahaefa-bolan'ny vohoka. Mbola ambony ny taha-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana ; 70% amin'ny reny dia tsy miteraka any amin'ny tobi-pahasalamana fa any an-tranony ihany, ary izay no isany antony hisian'ny fahasarotana. Ireo fahasarotana mety hitranga : fahaverezan-dra be loatra, fanafian'ny otrik'aretina (sovoka), fivainganan'ny ra amin'ny faritry ny tongotra ary ny farany dia tsy filaminan-tsaina. 45 hatramin'ny 50 andro, aorian'ny fiterahana dia ilaina hatrany ny manara-maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, hisorohana izay mety ho fahasarotana, fizaham-pahasalamana isaky ny herinandro...

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...