Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fitiavako ny tanindrazako, mamelona ny ambom-pom-pirenena. Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Tanjona ny hanentanana ny rehetra mba hanaja ny fitsipika amin'ny fampiasana ny teny malagasy na an-tsoratra na am-bava. Ny teny dia manan-danja ary masina ; isika malagasy dia manana fiteny maro. Ny tanindrazana dia ilay toerana ivezivezen'ny teny hampiasain'ireo olona miresaka, noho izany dia mifamatotra ny teny sy ny tanindrazana. Ny teny dia mihaina : miforona, mivelona, miova, maty.

Ny tsy fahalalana na tsy fahavitan'ny fizaham-pahasalamana mialohan'ny fanambadiana dia isan'ny mety ho antony iray manakorontana ny tokantrano, miteraka olana maro. Ny tokony fantarina mialoha dia ny sokajin-dra (A, B, AB, O) sy ny "rhésus" (+ , -). Tokony fantarina ihany koa ireo aretina manaranaka mety efa nisy tao amin'ny fianakaviana. Ilaina fantarina ihany koa fahasalaman'ny maso sy ny diabeta ary ny tosi-drà... Tsara ny hitiliana ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo. 

Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...