Voadona indray ny seha-piharian'ny tantsaha mpiompy omby indrindra ny omby vavy be ronono ao anatin'ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny faraparan'ny volana oktobra lasa teo nitohy tamin'ity volana novambra ity. Nihanaka mantsy ny valan'aretina mahazo ny omby, ka tsy afa-bela na ny omby miasa eny antsaha na ny omby vavy be ronono.
Loza mananontanona efatra lehibe ihany no tsongaina androany ; raha tsy mifankahery sy mifanohana isika rehetra dia mitondra mankany amin'ny aretina sy mety ho fahafatesana daholo : ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ny valanaretina covid-19, ny tsy fahampian-drano saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ny fahaefatra dia ny fahantrana lalina.
Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Misy olana amin'ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo avy amin'ny vanim-potoana samihafa. Ny 20 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy ; Madagasikara dia isan'ireo nanao sonia sy nankatoa io zo io. Ny fampisitrahana io zon'ny ankizy io dia miainga amin'ny ankohonana, betsaka anefa ireo izay minia tsy halala izany zo izany. Diso ao amin'ny fampitahana ny zava-misy ankehitriny sy ny taloha ny ray aman-dreny, ary ankilany anefa dia tsy voatery hitovy ny zava-misy amin'ireo vanim-potoana roa ireo. Tokony hifandray sy hirindra ny fifampiresahana, ny fifampihainoana, fifankahazoana, fandanjalanjàna ny tranga rehetra...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco