Ny iraky ny vaomiera misahana ny pastoralin'ny fahasalamana isam-piangonana dia hoe : "Ny marary andriana sady andrianina, mampiseho ny fiahian'ny fiangonana amin'ny alalan'ny asa fanompoana sy ny fitiavana ny rahalahy sy anabavy marary, ny zokiolona, ao anatin'ny fahamendrehana." Ary ny nofinofy dia ny fahasambarana sy fahasalamana amin'ny taona rehetra, araka ny Vaovao Mahafaly.

♦ Resy lahatra ny sampana rano sy ala eo anivon'ny sekoly ambony momba ny fiompiana sy fambolena eny amin'ny Oniversitea Antananarivo fa mahomby kokoa ny fanentanana hatao eny ifotony amin'ny fikajiana ny tontolo iainana. Natao hanatontosana izany ny tetik'asa SAHA Maintsoanala, izay hiarahana miasa amin'ny Vondron'Olona Ifotony. Tetik'asa tanterahina eo anelan'elan' Ambatolaona sy Marozevo... ♦ Ny sifaka na tsibaka : isan'ireo varika 105 harena manokana ho an'i Madagasikara, hita any amin'ny faritra andrefana... 

Zavatra maro no tokony harindra ao an-tokandrano. Ny fifampitokisana dia andry iray manamafy ny fifandraisana ao an-tokantrano, izay tokony hisy eo amin'ny mpivady eo amin'ny ankizy, eo amin'ny mpianankavy. Misy fiatraikany eo amin'ny fanabeazana ny ankizy sy ny fiainan'ny fianankaviana ny fifampitokisana. Mila omanina ny firosoana ao amin'ny sehatry ny fanambadiana sy ny tokandrano : fifampizahan-toetra... 

Misy tarehimarika roa omen'ny mpitsabo rehefa mitsapa tosi-drà ; ohatra 12-8 ka ny voalohany manambara ny tosika voalohan'ny rà ary ilay faharoa  dia tosika manaraka izay somary ambany. Raha ilay tosika voalohan'ny rà no latsaky ny (< 9) dia izay no hambara fa ambany ny tosi-drà. Fambara : ankoatra ny tsy maintsy hitsapana azy amin'ny fitaovana voatoka dia mety hahatsiaro ho reraka ilay olona na fanimpanina, misy feo misioka ao anaty sofina na migobona, mety ho tonga amin'ny fahatoranana sy tsy fahatsiarovantena, manjavozavo ny fijery, fanina vao mitsangana tampoka...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...