"Enga anie ny fahazavan’i Jesoa Zazakely hitondra fifaliana sy fiadanana ary fanantenana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo mahantra izay ao am-pon’ny Papa François", io no votoatin'ny firarian-tsoa nataon'ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, tamin'ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny Noely 2021 sy ny Taona vaovao 2022. Mankahery azy ireo izy mba handroso hatrany ho amin'ny tontolon'ny Hazavana.
Nambaran'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondranam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny firarian-tsoan'ny Noely fa tsy nahasakana ny fahatongavan'i Jesoa tonga eo anivontsika ny fahantran'ireo ray aman-dreniny, ka na eo aza ny fahoriana sy ny fahantrana iainantsika ankehitriny dia tonga miara-dia amintsika i Jesoa amin'izao Noely izao. Enga anie ho tany fialofana ho an'ny vahoaka malagasy rahatrizay ny tany izay injadian'ny mosary ankehitriny.
Naseho an'ireo tantsaha tetsy amin'ny lemak'i Laniera ao amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana distrika Antananarivo-Avaradrano ny fomba fanetsana amin'ny alalan'ny milina entin-tanana sy ny milina maneha amin'ny angovo. Milina natao hifanaraka amin'ny fomba fambolem-bary voizin'ny tetik'asa PAPRIZ izay eo ambany fiahian'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Mangina ny fanentanana amin'ny ady amin'ny Sida eto amintsika dia mihevitra ny olona fa efa foana izy. Mila hampiroboroboana ny fepetra fiarovana amin'ny fifindrany sy ny fanaovana fitiliana. Ireo tsy manao fitiliana kanefa mitondra tsimokaretina no mamindra fa ireo efa fantatra dia efa manaraka fitsaboana ny ankamaroany.
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco