Ny fombam-pitenenana dia andian-teny na fehezan-teny na kamban-teny, miainga avy amin'ny fiheveran'ny olombelona iray, izay tsy maintsy misy loharano nipoirany ; tsy voatery hisy hafatra na hanatra na fitsipika. Manana ny heviny ny teny ao anatin'ny fomba fitenena ireny ; ohatra "foza lahy hatakalo foza vavy" ka ny foza eto dia biby mihitsy, amin'ny fomba mpitenenana amin'ny faritra hafa ihany koa ny hoe "akoho lahy natakalo akoho vavy"... Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny Foibe momba ny Teny, ny Akademy Malagasy.
Miseho lany ny ady, maro ny olana avy amin'ny mpanao pôlitika mikasika ny lamina araka ny sitrapon'Andriamanitra : minia mandika ny fetra sy ny lamina ny olombelona ; ohatra ny nanomezan'Andriamanitra fahefahana ny olombelona voalohany nohariana hitantana ny zava-boahary fa tsy voahaja ny lamana ka nihinana tamin'ny voankazo voarara ihany i Adama sy Eva. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nanamarika ny 25 marsa ny MDMK-CVX tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, ny sabotsy teo. Nandritra izany ihany koa ny nakofana tamin'ny fomba ôfisialy ny faha-100 taoan'ny Antilin'i Madagasikara... ♦ Manohy hatrany ny fitsidihana pastôraly izay tanterahany ao amin'ny Diôsezin'Ambanja i Mgr Donatien Randriamalala, ka ny Paroasin'i Maromandia no nadehanany omaly... ♦ Fomba iray hanehoana ny finoana ny fivahinianana masina, ka tokony hitodika bebe kokoa amin'Andriamanitra isika, hiala amin'ny fitiavan-tena, hikajy ny tontolo iainana, io no fanentanana nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny pèlerinage notontosaina teny amin'ny Montagne des Français, ho an'ny tao amin'ny Arsidiôsezin'Antisranana...
Alahady 26 marsa 2023 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Taona A — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 1-45)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco