27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.
Ny tsy fanjarian-tsakafo dia isan'ny tranga matetika hita amin'ny zokiolona, izany hoe 33% amin'ireo zokiolona. Ny tsy fanjarian-tsakafo dia tsy fahatomombanana amin'ny lafiny hery hoentiny, lanjany mifanahaka amin'ny toe-batana. Hita maso ety ivelan'ny vatana ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo : fihenan'ny hadirin'ny vatana, ahiazana. Fisorohana : fifampiresahana amin'ny zokiolona... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
26 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)
• Vinavinaina hitombo hery ato anatin'ny 24 ora ilay andro ratsy atsy amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka ahiana hivadika ho rivodoza. Hanohy ny diany hianatsimo atsinanana izy manomboka anio alina ka mety hanambana mivantana ny tapany atsimon'ny nosy amin'ny faran'ny herinandro... • Naneho ny fahavononany hiatrika ny fanamby hotratrarina amin'ny fanjarian-tsakafo i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny atrikasa fampisehoana sy fanomezana lanja ny fiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, natao teny amin'ny Novotel Alarobia, no nanehoana izany androany... • Nanao tombana ny asa vita niarahany tamin'ny fitondram-panjakana malagasy, ho an'ny taona 2024 sy ny fanamby ho an'ny taona 2025, ny fandaharan'asa iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco