Ny paka dia fiampitana avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa vaovao. Tamin'ny andron'Israely dia alina no fotoana nihinana ny zanak'ondrin'ny Paka, mba hanehoana fa Andriamanitra no manazava, Izy no manala ny vahoaka ao anatin'ny haizina mikitroka. Ny haizina voalaza eto dia ireo izay nihatra tamin'ny zanak'Israely : fanandevozana, famoretana, fanitsakitsahana ny zo maha-olona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Tsy handray anjara amin'ny fifidianana Loholona hotanterahana ny alakamisy 11 desambra 2025 ny mpanohitra. Fifidianana tsy ara-dalana no kasaina hatao, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Nandresy tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanana tao Betroka Ambonivohitra ny kandidan'ny GJMP. Tsy lany indray ny Ben'ny Tanana IRMAR, izay efa nitondra ny Kaominina, araka ny didy nivoaka ny 5 septambra 2025... • Mandray fiofanana avy amin'ny Federasiona ho an'ireo mpitsara Basketball isika eto Madagasikara. Tanora mpitsara avy amina firenena 11 aty Afrika no miatrika izany, nanomboka androany...
Ny fandaharana dia manana tanjona mba ha-olom-banona ny mpihaino, tsara noho izany aza dia ny hoe "olom-panona sy kristiana". Hita tamin'ireny fitsenana ny Ekipam-pirenena Barean'i Madagasikara ireny fa mbola ao amin'ny Malagasy ny firaisan-kina, fifanajàna, fihavanana, mbola azo ampiarina amin'ny lafin-javatra maro ireny soatoavina ireny. Ny finiavana sy ny fitiavana dia fototra afahana mampandroso, indrindra raha tsara ny safidy miampy ny talenta... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Hahazo fitaovam-pianarana maimaim-poana avokoa ny mpianatra maherin'ny iray tapitrisa eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, androany teny amin'ny EPP Ambatobe... • Mbola mahaliana ireo mpianatra ny fanarahana ny fampianarana eny amin'ny oniversitem-panjakana. Maro ireo tanora mandray anjara amin'ny fitsapam-pahaizana eny amin'ny anjerimanontolo... • Nanomboka androany ary haharitra efatra andro, eny amin'ny Motel Anosy, ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpampiofana eo anivon'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny asa...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco