Fotoana fialantsasatra izao (Jolay-Septambra), betsaka ireo ankizy mijanona ao an-trano mijery "ECRAN" na mampiasa finday ela loatra kanefa mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny maso sy ny saina ireny. Ny taova rehetra ao amin'ny ankizy dia mbola an-dalan'ny fivoarana, noho izany dia marefo. Ny "ECRAN" dia misy lafi-tsarany, enti-mampianatra ; misy lafiny ratsy koa, ny fahasimban'ny maso... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nanamafy androany ny Ofisy Malagasy misahana ny Akoranafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto amintsika. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika anefa ny mpanjifa... • Tsy zakan'ny vahoaka sy ny mpandraharaha misambo-bola any amin'ny banky ny tataon-ketra 20 %, alaina amin'ny zanabola. Fanehoan-kevitry ny Solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary... • Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro tamin'ity taom-pamokarana ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity Faritra ity no antony mahatonga izany...
Tamin'ny taona 1600 dia nisy zanaka vavin'ny mpanjaka tao Faradofay no nalain'ireo Frantsay ka noentiny tany La Réunion, niaraka tamin'ny olona 10isa, izay 7 lahy sy 3 vavy. Tamin'ny alalan'ny fanondranan'olona no nampifandray ny Nosy La Réunio sy Madagasikara voalohany tamin'ny alalan'ireo Frantsay, nahondrana ho andevo ny Malagasy tamin'izany andro izany ka ny fambolena Kafe no asa nampanaovina azy ireo. Maro ireo toerana ao amin'io nosy rahavavy io no mitondra anarana amin'ny teny malagasy : Mahafaty, Tampon(y). Ireo vanim-potoana ireo dia endrika niampitan'ny fomba amam-panao Malagasy any amin'ireo nosy rahavavy...
Maro ireo Sakramenta mamelona ny finoana tsy ho lefy ; miavaka indindra amin'izany ny Sakramentan'ny fanambadiana sy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ireo dia famantaram-pinoana lehibe ho an'ny Lahika. Mpanjakan'ny zava-boary ny olombelona. Ny fanompoana no lalana hanamasinan-tena ary ny fanetren-tena sy ny fandeferana no hatsaram-panahy entina mampanjaka an'i Kristy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco