Hery telo no ananan'ny fanahy dia ny fahalalana, fitadidiana ary fahatelo farany dia ny sitrapo. Ny fahafahana dia ao amin'ny fanahintsika no misy azy. Zava-dehibe ny fahafahana sy ny sitrapo eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Maro ny tokantrano mikorontana, ary betsaka ireo tanora tsy mahafehy tena noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny atao hoe "fahafahana". Miha very hasina ny olombelona noho ny fivohizana loatra ny fahafahana.
7 mey 2023 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Taona A — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-12)
Tsy loza mitatao fa efa loza mihatra, mandoza, manimba eny amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona ny fiparitahana sy ny firongatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Misy atsindrona, misy nyt fohana ary misy ny hohanina. Simba ny ati-doha sy ny taova maro hafa ao amin'ny vatana. Vetivety ny fiankinan-doha. Sarotra ary manahirana ny fialana aminy. Manana andraikitra isika olom-pirenena tsirairay na iza ianao na iza hiady amin'izany mba hananana taranaka sy firenena vanona.
♦ Manatanteraka ny Fivoriambe voalohany, fanao isan-taona, ny Fivondranamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hotanterahana ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika... ♦ Ho fanatsarana hatrany ny fanabeazana ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara, dia nisy fiofanana nandritra ny telo andro, notanterahana ny faran'ny volana aprily teo, teny amin'ny Akamasoa...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco