Ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona araka ny fomba malagasy, nanomboka ny taona 2021 no nananganan'ny Papa François ny andro maneran-tany ho an'iretsy voatanisa etsy aloha. Tamin'ny alahady 26 jolay 2026 teo no fankalalazana natao teo anivon'ny fiangonana, izay fankalazana ny fetin'i Masindahy Joachim sy Masimbavy Anne, ireo ray aman-drenin'i Masina Maria, izany hoe raibe sy renibe an'i Jesoa. Ny soatoavina Malagasy dia manome lanja sy haja ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Amin'ny zanak'olombelona dia tsy misy ny fahombiazana raha tsy miasa, anefa ny fialan-tsasatra ihany koa dia mety mitondra fahombiazana. Ny atao hoe "fialan-tsasatra" dia matetika ho an'ny mpianatra anefa fiatoana kely aorian'ny asa natao na hetsika vita, fanaovana zavatra vaovao; ny fahombiazana dia firosoana amin'ny tsara kokoa, indrindra mitondra soa ho an'izay manao ny hetsika. Mitondra fahombiazana ny fialan-tsasatra raha toa ka niainga tamin'ny faharesen-dahatra, ka nahazo fahalalana vaovao, raha nampisongadina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao taloha... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Vonona hanohana ny famaliana ny hetahetam-bahoana amin'ny fanavaozana ny Fitsarana eto Madagasikara ny fitondrana, hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison... • Hamafisina ny fihavanana eo amin'ireo foko valo ao Farafangana. Hapetraka ny 21 aogositra 2026 ny tsangambato momba izany... • Nisedra olana ara-teknika lehibe ireo tobim-pamokarana sasany tantanan'ny ENELEC ka nahatonga ny tsy fahafahana mamokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanan-dehibe nahitana izany. Izay no fanambarana nataon'izy ireo taorian'ny fampitandremana avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly...
Ny hoe "Rasavôlagna" dia misy heviny roa ka ny voalohany dia midika "veloma" ary ny faharoa kosa dia mifanandrify amin'ny lahabolana, azo takarina amin'ny hoe "lahateny". Ny lehilahy matetika no manao ny "Rasavôlagna" kanefa tsy voatery ho izay arakaraka ny zava-misy. Ny fitondrana teny ao anatin'ny Rasavôlagna dia tsy iadivana, ny fehezan-teny, nataon'ny mpandray fitenana averin'ny mpamaly isaky ny handray fitenana dia fanehoana fa mahay mifampihaino ny roa tonta ary mifanaja. Ny toaka ifampizarana amin'ny fotoana hisian'ny fomba sy ny Rasavôlana fanolorana dia toaka vokatry ny tany...
• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco