Alahady 26 marsa 2023 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Taona A — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 1-45)
25% amin'ny mponina maneran-tany dia voakasiky ny tsy fahampian-dra avokoa, ny 42% amin'ny zaza latsaky ny 5 taona, ny 40% amin'ny vehivavy mitondra vohoka ary iray ampaha-telon'ny vehivavy ao amin'ny taona ahafahana miteraka, ireo ihany koa dia miaina ao anatin'izany tsy fahasalamana izany. Ny atao hoe tsy fahampian-dra : tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra, izay mampihena ny tahan'ny rivotra tonga any amin'ny taova rehetra ka mahatonga sehon'aretina samihafa. 120 andro ny faharetan'ny fiainan'ny sela mena iray, 1% ny sela mena dia ilaina havaozina isan'andro. Ny antony dia tsy fahampiana "Fer" Vitamine B12-B9, na fahaverezan-dra, fisiana kankana. Fambara : hatsatra, reraka lava, fihenan'ny tosi-dra...
♦ Fahatsiarovan-tena hanova ny zava-misy mampijaly no tanjona ho an'ny dinika marolafy notanterahina tao amin'ny Seminera zokiny Antsiranana nanomboka ny 20 mars 2023... ♦ Mila ofanina sy beazina hahay hitsikera sy haneho ny maha-izy azy ny tanora, hoy i P. Alphonse Awoudou, Mpanolo-tsaina jeneraly misahana an'i Afrika sy Madagasikara ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Mila arovana ny trano mba hahafahan'ny taranaka aoriana misitraka azy, hoy ny Papa François...
Mandrava ny voly, seha-piveloman'ny tantsaha ny bibikely mpanimba voly tato ho ato. Velon-taraina ny mpamboly any ambanivohitra manoloana izany. Hirika iray ahafahana miady amin'izany no entin'i Papa Bio, na Ranaivoarison Basile.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco