Miohatra amin'ny zava-misy maneran-tany dia fankatahaka ny Papa François tamin'ny fampisongadinana ny fifanajàna sy ny finiavana hametraka fomba fiainana mitory fanetretena. Mba ho fampandrosoana ny firenena dia tsara kokoa ny hanomezana toerana ny fifampiresahana, ny finiavana, ny firaisankina ; fanararaotra hampisongadinana ireo ny fanohizana ny fangatahana ny fampiharana ny efa tapaky ny firenena mikambana momba ireo Nosy manodidina Malagasy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
01 mey — Masindahy Joseph mpiasa, Masindahy Joseph mpandrafitra, tsy iza akory io fa ilay Masindahy Joseph mpitaiza an’i Jesoa tao Nazareta, izay efa noresahantsika teto tamin’ny 19 marsa. Fa ny voalohan’ny volana mey dia nankalazaina sy natokana ho azy, fa natokana ho an’ny mpiasa ihany koa, noho ity olomasina ity mpiaro ny mpiasa maneran-tany.
Ny fanabeazna ara-pananahana dia tsapa fa sokajian'ny olona ho resaka "fady", anefa io fomba fampitana sadasada io no isan'ny mahatonga ny fanolanana etsy sy ero. Ny firaisana ara-nofo dia hifanaovan'ny lehilahy sy vehivavy, natao mba hanohizana ny fahariana aina. Ny firaisana ara-nofo dia tokony ny mpivady ihany no manatanteraka azy. Ny firaisana ara-nofo dia fitiavana sy tsy an-tery... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco