Alahady 21 marsa 2021 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 20-33
Maneran-tany dia 2.000.000.000 isa ireo olona voakasiky ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ity farany dia fitambaran'ny tsy fahampiana sy ny tsy fahaizana mandanjalanja sakafo, ary ny tsy fahampiana otrikaina. Rehefa tsy mifanaraka amin'ny filan'ny vatana ny fomba fisakafoana dia azo hadika ho tsy fanjariana ara-tsakafo, mety ho tsy ampy fatra na be loatra na ihany koa tsy ahitana ireo singa ilaina. Antony mety mahatonga izany : fahantrana, tsy fahalalana...
♦ Nanetriketrika androany ny fankalazan'ny Arsidiôsezin'Antananarivo ny fetin'i Masindahy Josefa, mpiaro ny Fiangonana maneran-tany. Nifanindran-dalana tamin'izany ny fanamasinana ho diakra sy nanavaozan'ny pretra ny tokim-panompoany... ♦ Olona roa indray no namoy ny ainy, vokatry ny Covid-19, araka ny antotan'isa nivoaka androany. Vaky vava ireo olon-tsotra eny an-dalambe fa efa miparitaka ity aretina ity matoa mirotsaka an-tsehatra amin'ny fanentanana ny Polism-pirenena...
Fanamby lehibe ho an'i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-bary. Manao ny ezaka rehetra ahatratrarana ny tanjona ny governemanta ankehitriny ary mba ahafahan'ny tantsaha misitraka ihany koa ny fahafahana rehetra ahafahany mamokatra araka ny nambaran'ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Lucien...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco