10 marsa — I Masimbavy Anastasie dia mpitoka-monina mpanirery tao Egypte. Virjiny izy io, vehivavy tsara tarehy ary raha sendra tany an-dapan'ny Amperora Justinien izy ka nandray azy tao ny Amperora dia tsy niala teny amin'i Anastasie mihitsy ny masony ary naniry azy ho vadiny.
Zava-dehibe ny famolahan-tena eo amin'ny fiainam-bavaka. Hasain'Andriamanitra hibebaka isika, hahay hampifanaraka ny toetrany amin'ny raharaha sahaniny, tokony hatsapa tena ireo manana andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Izao Karemy izao no fotoana tsara hialana amin'ny fahazaran-dratsy : kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany, indrindra ireo mpitaky vola eny ifotony ho hetra, ireo mpitantana ara-bola. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
9 marsa 2025 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 1-13)
Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco