Alarobia 11 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
♦ Nanome toromarika ireo fampanoavana hampihatra politikam-pamaizana manokana hanamafisana ny ady amin'ny herisetra ny ministry ny fitsaràna, manoloana ny tranga fanolanana... ♦ Efa any Abidjan avokoa ny ankamaroan'ireo mpilalao mandrafitra ny barea, hihaona amin'i Côte d'Ivoire amin'ny alakamisy izao... ♦ Nanome baiko amin'ny hanokafana fanadihadiana momba izay voalaza fa hosoka tamin'ny fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia ny ministry ny fitsaràna amerikàna...
Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka.
♦ Tsingerina eo amin'ny fiainan'ny olombelona : Fahaterahana, zaza mena-vava, ankizy, tanora, olon-dehibe, antitra, fahafatesana... ♦ Famaritana ny atao hoe fahanterana : Dingana faratampony amin'ny fivoaran'ny zava-mananaina.. ♦ Arakaraky ny olona tsirairay avy ny endriky ny fahasamihafana eo amin'ny fahanterana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco