Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Vanim-potoana tsy mifanalavitra ny taom-baovao Malagasy sy ny paka samy mandalo fidiovana ary miafara amin'ny fifaliana, fiavaozana amin'ny lafiny maro (toetra - fo...) Ny saina sy ny fo mitambatra no tonga fanahy amin'ny Malagasy. Samia miezaka hanatsahatra ny endriky ny faharatsiana, didy jadona, kolikoly tsimatimanota. Ny fahadiovana dia sady fanajànao ny tenanao no fanajàna ny hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.
Ny fivoaram-piainan'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana homena azy. Ny hoe "mankatoa" dia ahitana foto-teny hoe "toa" manaiky amim-pitiavana. Tsapa amin'ny fihetsika sy ny teny ny fankatoavana ataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny antony mahatonga ny ankizy tsy hakantoa : ny fampitoviana ny fomba fiaina tamin'ny taona taloha sy ny ankehitriny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco