Ny rano voahasin'ny Paka dia manampy antsika hiady amin'ny ratsy, ary voalohany indrindra dia manome famonjena amin'ny ara-panahy. Manome ny fahasalamana ara-panahy sy ara-batana ny rano voahasina satria manampy antsika hivelona kokoa hiaina ny Batemy, mampadositra ny fanahy ratsy. Manafaka ny fahotana madinika ny rano voahasina rehefa ampiasaina araka ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faharoa - Taona D fankalazana ny Paka : Tompoko sy Andriamanitro! ; nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!". Miresaka ny fahefana hamela heloka ny tenin'Andriamanitra ifampizarana amin'izao alahadin'ny famindram-po izao. Andriamanitra dia mpamindra fo sy mihantra, tsy manadino ny fifanekena efa nisy, ary mandrakizay ny famindram-pony. Tsy mifidy olona hosoavina Andriamanitra. Toetran'Andriamanitra manokana ny famindram-po, ny famindram-po dia tsy manambara fahalemena fa tena fanehoana ny herin'Andriamanitra...
Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra 2024 ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...
Mila samy mianatra mandray andraikitra ny tsirairay fa samy tompon’ity tontolo ity matoa noharin’Andriamanitra, samy manana anjara asa isika rehetra amin’ny hanatsarana ity tany ity na anatin’ny fahasamihafana, izany hoe fanabeazana amin’ny soatoavina sy fahaiza-miaina. Ilaina ny fanohanana ara-tsaina, ara-panahy raha toa ka misy olona efa miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA mba hanome hery azy ahavitany hatramin'ny farany ny fitsaboana izay tokony ataony mba tsy hamindra amin'ny hafa intsony... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco