• Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra no mety hidinan'ilay tataon-ketra 47 % takian'ny fitondrana Amerikana, hoy ny Depiote Imbiky Herilaza... • Mahatratra 14 tapitrisa Dolara ny vola very momba ny jono tsy manara-dalana ho antsika eto Madagasikara... • Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetikasa notohanany, ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa...
Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Hotanterahana ny 8 sy 9 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ireo olom-boatokana eto Madagasikara... • Sady mikolo ny fanahy no mikajy ny tranobe iombonana ny tanora katolika tao amin'ny Distrikan'i Begavo, Diosezin'Ambaja, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Niseho voalohany teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera ao Vatican ny Papa François omaly...
Vao nigadona ny volana avrily dia efa nafana ny toe-draharaha tao Andrenivohitr’i Gasikara. Ambony be ny fanantenana fa hiverina araka ny nampanantenain’ny mpitantana azy ny hasin’Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy eo amin’ny lafiny filaminana sy fahadiovana ary fandriam-pahalemana. Telo andro teo no nanomanan’ny ekipan’ny Ben’ny Tanàna ireo mpivarotra amoron-dàlana fa tsy maintsy hirosoana ny famindran-toerana azy ireo mba ahafahana manadio ny toerana, hampalalaka ny làlana ary ny fanatanterahana ny foto-drafitrasa kasain’ny Kaominina ho tanterahina.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco